Fizahantany : nisy hetsika tany Frantsa

Natao tany Flot, Frantsa, ny hetsika fizahantany an-dranomasina ao anatin’ny hetsika « Grand Pavois La Rochelle”, ny 26 septambra hatramin’ny 1 oktobra teo. Notanterahina tany amin’ny  seranan-tsambo port de Plaisance des Minimes ny hetsika, nandraisana mpitsidika maherin’ny 90 000. Nandray anjara tamin’izany i Madagasikara anisan’ny manana morontsiraka mahasarika mpizahatany, ankoatra ny an-tanety.

Hita, nandritra ireo fotoana ireo, ny fisitrihana anaty ranomasina, ny jono ara-panatanjahantena  an-dranomasina, ny fandehanana amin’ny sambolay, na sambo raitra madinika (catamarans) sy ny kitsurf, sns. Midadasika (750 m2) ny tranoheva nahitana an’i Madagasikara, nahitana ny otrikarena maro amin’ny fizahantany hita aty amintsika, ny kolontsaina, ny an-dranomasina, ny sakafo, sns.

Tranoheva maromaro

Nisy sokajy maromaro ny tranohevan’i Madagasikara, toy ny « Tanànan’ny faritra », nahitana ny ofisim-paritra Analamanga sy Alaotra Mangoro, ny « Tanànan’ny fizahantany sy ny toekarena », nahitana ny federasion’ny trano fisakafoana sy ny mpampiantrano, ny mpikarakara mpizahatany (Jacaranda sy Do Travel), ny « Tanànan’ny Taozavatra », nahitana ireo asa tanana malagasy, ny zaitra, ny ilomenaka, ny sokitra, ny zavamanitra sy masiatsiaka, … Teo koa ny mpitantana faritra arovana, toy ny Madagascar National Park, ohatra.

Loharano : Gazety Taratra ny 3 oktobra 2018/Njaka A.