Toamasina: tonga ny sambo vaventy mpitondra mpizahatany

Tonga tsikelikely ireo mpizahatany mandeha anarivony entin’ny sambo vaventy. Nahitana karazana vahiny avy any amin’ny kaontinanta maro samy hafa izany.

Herintaona aty aorian’ny fiparitahan’ny valanaretina pesta nahery vaika teto Toamasina sy teto Madagasikara, tonga tsikelikely eto Toamasina ny vahiny mpizahatany mpandeha amin’ny sambo vaventy. Nigadona eto an-toerana, ny 6 novambra teo, ny sambo Costa Victoria, nitondra mpizahatany miisa 1 800.

Azo adika fa tsapan’ireo orinasa mpandefa sy mikarakara mpizahatany ho milamina tsy re intsony ny valanaretina pesta ka tonga ny 20 novambra teo koa ny andiany faharoa nentin’ny sambo Costa Victoria ihany, nitondra mpizahatany maherin’ny 2 000.

Niavaka ity andiany ity satria nahitana mpizahatany avy any amin’ny firenena samy hafa, toy ny Aziatika, ny Eoropeanina, hatramin’ny Afrikanina ihany koa.

Nanjifa ny taozavatra malagasy

Nampiavaka ireto andiany faharoa ireto ihany koa ny tsy fandehanan’izy ireo lavitra tahaka ny mahazatra hatramin’izay fa saika variana tamin’ny fividianana sy fijerena ireo asa tanana sy ny taozavatra vita malagasy tetsy Bazaribe sady nividy voankazo isan-karazany tena mbola voajanahary tsara tsy toy ny any ivelany. Nifanandrify tamin’ny fisokafan’ny taom-piotazana letisia rahateo izany, izay tsy fahitan’izy ireo sady nankafizany ny tsiron’ity voankazo hafakely ity. Fantatra, araka ny loharanom-baovao, fa hitohy tsy ankiato amin’izay ny fahatongvan’ny vahiny mpizahantany mandeha amin’ny andiany anarivony tahaka izao.

Source : Taratra du 26 novembre 2018/ Sajo sy Njaka A.