Kelikely, tsaratsara… : hatao etsy Mahamasina ny « Carnaval de Madagascar »

Efa tafiditra ao anatin’ireo hetsika goavana mahakasika ny kolontsaina sy ny toekarena ary ny mampalaza an’i Madagasikara ny « Carnaval de Madagascar ». Andiany fahefatra ny amin’ity taona ity ary hotanterahina ny 16 sy 17 jona ho avy izao. Maromaro ny fiovana amin’ity andiany ity : eo amin’ny endriky ny hetsika sy ny votoatiny.

Tsy toy ny mahazatra fa ho roa andro ny « Carnaval de Madagascar » amin’ity taona ity. Tsy midika anefa izany hoe ho « maivamaivana » ny hetsika ao anatiny. Mikasika izay indrindra, ny asabotsy ihany no hisy «carnaval » na filaharambe sy filatroana, saingy samy haneho ny tsara indrindra any aminy ny faritra tsirairay, amin’io.

Raha tsiahivina, fotoana hampahafantarana ny kolontsaina sy ny zavatra hafa mampiavaka ny faritra tsirairay ny « carnaval ». Eo koa ireo kaompania sy mpanakanto ary tarika efa havanana amin’izany fanaovana fety sy kanto an-dalambe izany. Raha fintinina, fotoana fohy saingy hafonja ny diabe, amin’ity andiany ity.

Mikasika ny toerana, raha teny amin’ny Araben’ny fahaleovantena no nahazatra hatramin’izay, eny anoloan’ny kianjan’i Mahamasina indray no hifamotoana ny mpanotrona ny « Carnaval de Madagascar », ny 16 sy 17 jona. Araka izany, halalaka kokoa ny fifamoivoizana etsy Analakely. Ny andro, rahateo, ho fety, hany ka marobe ireo tonga  eto an-dRenivohitra sy miantsena, amin’io fotoana io.

Hetsika hampiroboroboana ny toekarena, indrindra amin’ny alalan’ny sehatry ny fizahantany, ny « Carnaval de Madagascar ». Toy ny mahazatra, hanana toerana ny faritra tsirairay hanehoany ny vokatra mampiavaka azy. Io ilay « foaram-paritra », haharitra roa andro.

Mifanojo hatrany amin’ny fetin’ny Fahaleovantena ity hetsika goavana ity. Amin’ny fotoana toy itony, homena fahafaham-po manokana ny ankizy. Araka izany, hisy ny toeram-pilalaovana natao ho azy ireo. Tsy ho latsa-danja amin’ireo rehetra ireo ny mozika. Lohalaharana amin’ny « podium », ny asabotsy 16 jona, ny tarika Mage4 raha hanafana ny fotoana, ny alahady, ry Samöela.

Source: Taratra du 08 juin 2018/Landy R.