• Publié le 30 Jan 2023
  • Mis à jour le 31 janvier 2023 à 02:05

Andao ho any Tolagnaro i ndray | Mon raod Trip Culinaire

Mitohy ny fampafantarana an'i Madagasikara amin'ny alalan'ny kodiaran-droa ataon'i Farah RABEKIJANA entiny hizarana amintsika ireo toeram-pizahantany tsy mahazatra ny maro, ireo fomba amam-panao any amin'ireo toerana lalovany, fa indrindra ny sakafo mampiavaka ny Faritra.

Niainga teto Antananarivo ny alakamisy faha 26 janoary teo izy hihazo an'i Taolagnaro ary haharitra 20 andro ny fitsidihana.

Tao aorinan'ny fizarana momba ny fanamboarana bonbon gasy sy toerana mafinaritra tao Antsirabe dia manohy ny diany amin'iny lalam-pirenena faha 7 iny i Farah. Handray ireo lalam-pirenena faha 25, 12 ary 12a kosa izy ao aorinan'izay ary hizara amintsika ny akanton'ireo Faritra rehetra ho lalovany mandra-pahatongany any Taolagnaro.

Koa aza adinoina ary ny manaraka ny dian'i Farah RABEKIJANA ao amin’ny pejy facebook Mon Road trip Culinaire sy ny kaonty instagram https://instagram.com/monroadtripculinaire?igshid=YmMyMTA2M2Y=