Fiaraha-mietana hanampiana ireo mpiray Tanidrazana

Publié le 25 Jan. 2023 Mis à jour le 27 Jan. 2023 à 8h40

Noho ny fiakaran'ny rano amin'ireo toerana maro eto Madagasikara vokatry ny fandalovan'ilay rivodoza Cheneso dia betsaka ireo Malagasy mpiray tanindrazana amintsika no sahirana amin'izao fotoana izao.

Na dia mbola tsy niantso tolo-tanana aza ny teo anivon'ny BNGRC dia mahatsiaro manana adidy ny minisiteran'ny fizahantany ka tonga nanolotra ireo tsirambin'ny tanana toy ny menaka, siramamy, sio, koveta sy ny maro hafa.

Omaly talata faha 23 janoary no tonga nanatitra izany teny amin’ny foiben’ny BNGRC eny Antanimora ny ekipan'ny minisiteran'ny fizahantany izay notarihan'ny sekretera-jeneraliny, Andriamatoa Yves RAKOTONIANA.