• Publié le 19 Oct 2022
  • Mis à jour le 27 octobre 2022 à 10:23

Fiverenanan’ireo sambo lehibe mpitondra mpizahantany

Miverina mandray ireo sambo lehibe mpitondra mpizahantany i Madagasikara, ary nanamarika izany ny fahatongavan'ny Europa 2 tao Antsiranana omaly 17 oktobra.

Mpizahantany miisa 429 no nidina sy nanantateraka fitsidihana tao Diégo Suarez rehefa avy niantsona tany amin'i Nosy Seychelles.

Nitohy anio hatramin'ny 7 ora hariva teo ny fitsidihana nataon'ireto mpizahantany ireto tao Nosy Be.

Efa vonona amin'ny fahatongavan'ireo sambo lehibe hafa amin'ny 01, 12 ary 25 novambra ho avy izao ireo mpandraharaha rehetra amin'ny fizahantany any Avaratry ny Nosy.

??Office Régional du Tourisme de Diégo Suarez / Office Régional du Tourisme de Nosy Be